Reuben

1. Now the sons of Reuben the firstborn of Israel, (for he was the firstborn; but, forasmuch as he defiled his father's bed, his birthright was given unto the sons of Joseph the son of Israel: and the genealogy is not to be reckoned after the birthright.
1. "Fils de Ruben, premier-né d`Israël. -Car il était le premier-né; mais, parce qu`il souilla la couche de son père, son droit d`aînesse fut donné aux fils de Joseph, fils d`Israël; toutefois Joseph ne dut pas être enregistré dans les généalogies comme premier-né."
1. "Ary ny zanakalahin' i Robena, lahimatoan' Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an' ny zanak' i Josefa, zanak' Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin' ny fitantaram-pirazanana ireo;"
2. For Judah prevailed above his brethren, and of him came the chief ruler; but the birthright was Joseph's:)
2. "Juda fut, à la vérité, puissant parmi ses frères, et de lui est issu un prince; mais le droit d`aînesse est à Joseph."
2. "Fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no niavian' ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an' i Josefa ihany),"
3. The sons, I say, of Reuben the firstborn of Israel were, Hanoch, and Pallu, Hezron, and Carmi.
3. Fils de Ruben, premier-né d`Israël: Hénoc, Pallu, Hetsron et Carmi.
3. Ny zanakalahin' i Robena, hoy aho, lahimatoan' Isiraely dia Hanoka sy Pola sy Hezrona ary Karmy.
4. The sons of Joel; Shemaiah his son, Gog his son, Shimei his son,
4. "Fils de Joël: Schemaeja, son fils; Gog, son fils; Schimeï, son fils;"
4. Ny zanakalahin' i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin' i Semaia, Simey no zanakalahin' i Goga,
5. Micah his son, Reaia his son, Baal his son,
5. "Michée, son fils; Reaja, son fils; Baal, son fils;"
5. Mika no zanakalahin'i Simey, Reaia no zanakalahin' i Mika, Bala no zanakalahin' i Reaia,
6. Beerah his son, whom Tilgathpilneser king of Assyria carried away captive: he was prince of the Reubenites.
6. Beéra, son fils, que Tilgath Pilnéser, roi d`Assyrie, emmena captif: il était prince des Rubénites.
6. "Bera no zanakalahin' i Bala, izay nobaboin' i Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria; izy no loham-pirenen' ny Robenita."
7. And his brethren by their families, when the genealogy of their generations was reckoned, were the chief, Jeiel, and Zechariah,
7. "Frères de Beéra, d`après leurs familles, tels qu`ils sont enregistrés dans les généalogies selon leurs générations: le premier, Jeïel; Zacharie;"
7. Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy, raha nisaina ny firazanan' ny taranany dia Jeiela lohany sy Zakaria,
8. And Bela the son of Azaz, the son of Shema, the son of Joel, who dwelt in Aroer, even unto Nebo and Baalmeon:
8. "Béla, fils d`Azaz, fils de Schéma, fils de Joël. Béla habitait à Aroër, et jusqu`à Nebo et à Baal Meon;"
8. Ary Bela, zanak' i Azaza, zanak' i Sema, zanak' i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Bala-meona.
9. And eastward he inhabited unto the entering in of the wilderness from the river Euphrates: because their cattle were multiplied in the land of Gilead.
9. à l`orient, il habitait jusqu`à l`entrée du désert depuis le fleuve de l`Euphrate, car leurs troupeaux étaient nombreux dans le pays de Galaad.
9. "Ary nonina niantsinanana hatrany akaikin' ny efitra ka hatramin' ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman' ondriny nihamaro teny amin' ny tany Gileada."
10. And in the days of Saul they made war with the Hagarites, who fell by their hand: and they dwelt in their tents throughout all the east land of Gilead.
10. "Du temps de Saül, ils firent la guerre aux Hagaréniens, qui tombèrent entre leurs mains; et ils habitèrent dans leurs tentes, sur tout le côté oriental de Galaad."
10. "Ary tamin' ny andron' i Saoly dia niady tamin' ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran' ny tany rehetra atsinanan' i Gileada izy."

Gad

11. And the children of Gad dwelt over against them, in the land of Bashan unto Salcah:
11. Les fils de Gad habitaient vis-à-vis d`eux, dans le pays de Basan, jusqu`à Salca.
11. "Ary ny taranak' i Gada nonina tandrifiny, teny amin' ny tany Basana hatrany Saleka;"
12. Joel the chief, and Shapham the next, and Jaanai, and Shaphat in Bashan.
12. Joël, le premier, Schapham, le second, Jaenaï, et Schaphath, en Basan.
12. Joela no lohany, dia Safana no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
13. And their brethren of the house of their fathers were, Michael, and Meshullam, and Sheba, and Jorai, and Jachan, and Zia, and Heber, seven.
13. Leurs frères, d`après les maisons de leurs pères: Micaël, Meschullam, Schéba, Joraï, Jaecan, Zia et Éber, sept.
13. "Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy."
14. These are the children of Abihail the son of Huri, the son of Jaroah, the son of Gilead, the son of Michael, the son of Jeshishai, the son of Jahdo, the son of Buz;
14. "Voici les fils d`Abichaïl, fils de Huri, fils de Jaroach, fils de Galaad, fils de Micaël, fils de Jeschischaï, fils de Jachdo, fils de Buz;"
14. "Ireo no zanakalahin' i Abihaila, zanak' i Hory, zanak' i Jaroa, zanak' i Gileada, zanak' i Mikaela, zanak' i Jesisay, zanak' i Jado, zanak' i Boza;"
15. Ahi the son of Abdiel, the son of Guni, chief of the house of their fathers.
15. Achi, fils d`Abdiel, fils de Guni, était chef des maisons de leurs pères.
15. Ahia, zanak' i Abdiela, zanak' i Gony, no lohan' ny fianakaviany.
16. And they dwelt in Gilead in Bashan, and in her towns, and in all the suburbs of Sharon, upon their borders.
16. Ils habitaient en Galaad, en Basan, et dans les villes de leur ressort, et dans toutes les banlieues de Saron jusqu`à leurs extrémités.
16. Ary nonina tany Gileada any Basana sy tamin' ny tanànany ireo, ary tamin' ny zanabohitr' i Sarona rehetra, dia tamin' ny sisin-taniny.
17. All these were reckoned by genealogies in the days of Jotham king of Judah, and in the days of Jeroboam king of Israel.
17. Ils furent tous enregistrés dans les généalogies, du temps de Jotham, roi de Juda, et du temps de Jéroboam, roi d`Israël.
17. Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin' ny andron' i Jotama, mpanjakan' ny Joda sy tamin' ny andron' i Jeroboama, mpanjakan' ny Isiraely.
18. The sons of Reuben, and the Gadites, and half the tribe of Manasseh, of valiant men, men able to bear buckler and sword, and to shoot with bow, and skilful in war, were four and forty thousand seven hundred and threescore, that went out to the war.
18. Les fils de Ruben, les Gadites et la demi-tribu de Manassé avaient de vaillants hommes, portant le bouclier et l`épée, tirant de l`arc, et exercés à la guerre, au nombre de quarante-quatre mille sept cent soixante, en état d`aller à l`armée.
18. Ny taranak' i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon' i Manase, izay isan' ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enimpolo amby fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina no isan' ny azo nalefa hanafika.
19. And they made war with the Hagarites, with Jetur, and Nephish, and Nodab.
19. Ils firent la guerre aux Hagaréniens, à Jethur, à Naphisch et à Nodab.
19. Ary niady tamin' ny Hagarita sy tamin' i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
20. And they were helped against them, and the Hagarites were delivered into their hand, and all that were with them: for they cried to God in the battle, and he was intreated of them; because they put their trust in him.
20. Ils reçurent du secours contre eux, et les Hagaréniens et tous ceux qui étaient avec eux furent livrés entre leurs mains. Car, pendant le combat, ils avaient crié à Dieu, qui les exauça, parce qu`ils s`étaient confiés en lui.
20. Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin' izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin' Andriamanitra teo amin' ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
21. And they took away their cattle; of their camels fifty thousand, and of sheep two hundred and fifty thousand, and of asses two thousand, and of men an hundred thousand.
21. "Ils prirent leurs troupeaux, cinquante mille chameaux, deux cent cinquante mille brebis, deux mille ânes, et cent mille personnes;"
21. "Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman' osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;"
22. For there fell down many slain, because the war was of God. And they dwelt in their steads until the captivity.
22. car il y eut beaucoup de morts, parce que le combat venait de Dieu. Et ils s`établirent à leur place jusqu`au temps où ils furent emmenés captifs.
22. Fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin' Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan' ny fahababoana.

The Half-Tribe of Manasseh

23. And the children of the half tribe of Manasseh dwelt in the land: they increased from Bashan unto Baalhermon and Senir, and unto mount Hermon.
23. "Les fils de la demi-tribu de Manassé habitaient dans le pays, depuis Basan jusqu`à Baal Hermon et à Senir, et à la montagne d`Hermon; ils étaient nombreux."
23. "Ary ny taranaky ny antsasaky ny fokon' i Manase dia nonina tamin' ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin' ny tendrombohitra Hermona."
24. And these were the heads of the house of their fathers, even Epher, and Ishi, and Eliel, and Azriel, and Jeremiah, and Hodaviah, and Jahdiel, mighty men of valour, famous men, and heads of the house of their fathers.
24. Voici les chefs des maisons de leurs pères: Épher, Jischeï, Éliel, Azriel, Jérémie, Hodavia et Jachdiel, vaillants hommes, gens de renom, chefs des maisons de leurs pères.
24. "Ary izao no lohan' ny fianakaviana: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo sady malaza no samy lohan' ny fianakaviany avy."
25. And they transgressed against the God of their fathers, and went a whoring after the gods of the people of the land, whom God destroyed before them.
25. Mais ils péchèrent contre le Dieu de leurs pères, et ils se prostituèrent après les dieux des peuples du pays, que Dieu avait détruits devant eux.
25. Ary nivadika tamin' Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan' Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
26. And the God of Israel stirred up the spirit of Pul king of Assyria, and the spirit of Tilgathpilneser king of Assyria, and he carried them away, even the Reubenites, and the Gadites, and the half tribe of Manasseh, and brought them unto Halah, and Habor, and Hara, and to the river Gozan, unto this day.
26. Le Dieu d`Israël excita l`esprit de Pul, roi d`Assyrie, et l`esprit de Tilgath Pilnéser, roi d`Assyrie, et Tilgath Pilnéser emmena captifs les Rubénites, les Gadites et la demi-tribu de Manassé, et il les conduisit à Chalach, à Chabor, à Hara, et au fleuve de Gozan, où ils sont demeurés jusqu`à ce jour.
26. Ary Andriamanitry ny Isiraely nanetsika ny fanahin' i Peka, mpanjakan' i Asyria sy ny fanahin' i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin' ireo ny Robenita sy ny Gadita ary ny an-tsasaky ny fokon' i Manase, ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron' ny ony Gozana ambaraka androany.
<
>